Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-10

1 Nandre ny lazan'anaran'i Salomona amin'ny anaran'ny Tompo, ny mpanjakavavin'i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin'ny ankamantatra.

2 Dia tonga tany Jerosalema izy, narahin'ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena sesehena, ary vatosoa. Dia nandroso ho any amin'i Salomona izy, dia nolazainy taminy izay rehetra tao am-pony. 3 Voavalin'i Salomona avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin'ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana. 4 Rahefa hitan'ity mpanjakavavin'i Sabà ny fahendren'i Salomona rehetra, ny trano nataony,

5 ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran'ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian'ny mpiasa an-tranony mbamin'ny mpandroso divay ao aminy; ny ambaratonga fiakarany ho eo amin'ny tranon'ny Tompo, dia talanjona loatra izy, 6 ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe: Hay va re, dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin'ny taniko, ny amin'ny momba ny tenanao sy ny fahendrenao! 7 Tsy nety nino ny lazan'olona aho, raha tsy efa tonga sy nahita maso, kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin'ny filazan'olona ny fahendrena amam-boninahitrao. 8 Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava ka mandre ny fahendrenao. 9 Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin'ny seza fiandrianan'Israely. Fa fitiavany mandrakizay an'Israely no nametrahan'ny Tompo anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina. 10 Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena roapolo amby zato, zava-manitra be dia be ary vatosoa koa ny mpanjaka. Tsy nisy be noho ny nomen'ny mpanjakavavin'i Sabà an'i Salomona mpanjaka, intsony ny zava-manitra tonga.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0587